Nampahafantarin’ny Airtel Africa, ny 5 desambra teo, ny « Nxtra by Airtel ». Sampan’orinasa ao aminy, misahana ny fanangonana antontam-baovao niomerika sy informatika amin’ny fifandraisan-davitra.
Mamaly ny filàn’ny mpanjifa ny fitsanganan’ny Nxtra Africa, izay tsy mitsaha-mitombo, ankehitriny. Tanjon’ny Nxtra Airtel ny hanangana tambajotram-pifandraisan-davitra lehibe indrindra aty Afrika. Hananganana azy ny tanàn-dehibe rehetra ahitana ny Airtel Africa, hameno ireo masoivoho efa misy. Anisan’ny mpanjifa kendrena ny orinasa afrikanina, toy ny orinasa iraisam-pirenena, ny orinasa vaventy, ny orinasa vao misandratra (startup), ny orinasa madinika sy salantsalany (PME), ny fanjakana, sns. Ho hita ao amin’ ny Nxtra Africa ny antontam-baovao ara-informatika rehetra matanjaka ilain’ny tsirairay. Hanombohana azy any Lagos Nizeria, izay hanome tanjaka 34 MW, ka afaka ampiasaina amin’ny fampiasana angovo (PUE) 1,3.
Voatendry ho tale jeneraly ny Nxtra Airtel, i Yashnath Issur, tomponandraikitry ny fitantanana ara-bola ny orinasa iraisam-pirenena misahana ny antontam-baovao, Amazon Web Services. Manana traikefa 16 taona amin’ny lafiny indostria izy, ary ampy traikefa tsara ihany koa ny mpiara-miasa aminy.
Fitomboana ara-toekarena aty Afrika
Nilaza ny tale jeneraly ny vondrona Airtel Africa, Segun Ogunsanya, fa «hanohana ny fitomboana ara-toekarena amin’ny lafiny niomerika aty Afrika ny fampiakarana ny tanjaka ahafahana manangona ny antontam-baovao amin’ny fifandraisan-davitra. Faly tokoa izahay mitondra fivoarana ho an’ny fotodrafitrasa niomerika afrikanina. Satria fanararaotra amin’ny fitomboana ara-toekarena ho an’ny orinasa sy ny fivoaran’ny niomerika izany. Tanjon’ny Airtel rahateo ny ho mpiara-miombon’antoka amin’ ireo mpanjifa maneran-tany sady ho sangany aty Afrika».
Njaka Andriantefiarinesy