Nidina ifotony teo anivon’ny ivontoeram-panofanana ho an’ny vehivavy (CFPF) Antsofinondry ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rahantanirina Gabriella. Nanome fampitaovana (tabilio sy kojakojan-dakozia) entina hanatsarana ny ivontoerana sy hampiakarana ny kalitaon’ny fampiofanana omena ireo mpisitraka ny tenany.
Mifanindran-dalana amin’ny fampiofanana ataon’ny tetikasa «Milofo sy Mijoro» izay tohanan’ny Fonds d’intervention pour le développement (FID), ny fitsidihana ka hanomezana fiofanana fohy ezaka ireo vehivavy avy amin’ny tokantrano marefo.
Sampam-piofanana telo no narahin’ireo mpiofana: voly legioma sy anana, zaitra ary fanaovana mofomamy. Mianatra momba ny fitantanana ihany koa ireo mpiofana aorian’ny fiofanana fohy ezaka ary hotolorana mari-piofanana sy tosika fanombohana tsirairay avy.
Mampivoatra ireo vehivavy marefo sy ireo renim-pianakaviana monina ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana sy ny manodidina ny CFPF Antsofinondry, niorina ny 25 jolay 2018. Tanjon’ny ivontoerana ny hanomezana fahaiza-manao ireo vehivavy, ahafahany mioitra amin’ny fiainana ka afaka mivelon-tena.
Vonjy A.