Mbola mitana ny sain’ny besinimaro ny mahakasika ny resaka tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Manao izay danin’ny kibony ny olon-dratsy na misy aza ny ezaka manokana ataon’ny mpitandro filaminana. Areti-mikiky ny fiarahamonina, miankina amin’anton-javatra maro izany. Tsy vitan’ny fampiasan-kery sy ny fifanasana vangy amin’ny resaka politika ny famahana azy.
Mila mahay mijery hodidina samihafa ny mpiantsehatra rehetra amin’ny tontolon’ny filaminana. Manomboka any ifotony, eny anivon’ny fiarahamonina sy ny fianakaviana izany. Mazava be, tsy lavitra ny olon-dratsy fa mifanerasera anatin’ny sarambabem-bahoaka. Na izy mpandray anjara mivantana, na mpiray tendro amin’ny fikendrena ny ho lasibatra. Mitaky fahasahiana mitoroka izany. Mivonona amin’izay mety hitranga fa tsy manaiky ho resy tsy miady.
Tompon’antoka lehibe amin’ny zava-misy ankehitriny ireo manam-pahefana isan’ambaratongany, mpitandro filaminana, fitsarana, mpanao politika sy olom-boafidy, mpiasam-panjakana voatendry sy/na voafidy. Manjaka ny tsindrihazolena amin’ny endriny rehetra. Tsy takona afenina ny kolikoly sy ny fanaovana mizana tsindrin’ila. Zary miforitra anaty ny vahoaka ka mikomy sy mitady vahaolana peta-toko. Mirona any amin’ny fifamotehana ny samy marefo.
Vao manomboka ny fotoam-pitondran’ny Filohan’ny Repoblika dia sintonina ny lakolosy. Tsy ampy hamahana ny olan’ny tsy fandriampahalemana ny fampiasan-kery. Olana fototra mifandraika amin’ny lafin’ny sosialy no ao ambadik’ireo karazana herisetra sy fandrobana ireo. Mavesatra ny tsindrin-drafahantrana nateraky ny tsy fananana asa.
Mila fiaraha-mientana sy fifanomezan-tanana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ankehitriny, manerana ny Nosy.
r.r