Hiragasy : tafiditra ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona

Vaovao lehibe ho an’ny kolontsaina! Rehefa nandalo ny dingana rehetra, nankatoavin’ny Komity faratampony eo anivon’ny Unesco ny maha harem-baboka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny hiragasy.

Ny haitao Zafimaniry, ny taona 2008. Ny kabary Malagasy, ny taona 2021 ary izao ny hiragasy. Afaka mirehareha fa manana azy telo ireo ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona, (patrimoine culturel immatériel de l’humanité) eo anivon’ny Unesco, ny Malagasy. Tontosa ny alin’ny talata teo ny fivorian’ny Komity faratampony mpandinika sy mpamoaka ny lisitry ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona, tany Bots­wana. Am-polony maro, avy amin’ireo firenena samihafa maneran-tany no nisafidianana, ka nambaran’ity komity ity niaraka. Niatrika ny dingana farany nialoha ny fankatoavana, tamin’ny alalan’ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra ny ekipan’ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina, izay angady nananana izany.
Dingana maro dia maro ary nandritra ny fotoana ela no nolalovana vao tonga tamin’izao. Nanomboka ny taona 2019 izany, taorian’ny nanapahan’ny ekipan’ny minisitera fa hangatahana hampidirina ao anaty lisitra ny kabary malagasy sy ny hiragasy. Nanomboka ny volana jona 2019 ny asa rehetra: fanadihadiana, fanangonana tahirin-kevitra, fanatonana ireo oloben’ny hiragasy, ny toerana nipoirany sy mandala ny hiragasy, ny mpanamboatra zavamaneno sy fitafy, fihainoana ireo mpampianatra mpikaroka nanao fikarohana momba ny hiragasy, sns. Nanaraka avy eo ny fanangonana ny taratasy fankatoavana avy amin’ireo voakasika voalohany sy ny fandrafetana ny antotan-taratasy rehetra takin’ny vaomiera eo anivon’ny Unesco.
Niara-nampidirina ny volana marsa 2020 ny antontan-taratasy ho an’ny hiragasy sy ny kabary malagasy. Nasain’ny Unesco nisafidy kosa ny fanjakana malagay tamin’ireo, ka tapaka fa ny kabary malagasy no nampidirina tamin’ny fivoriana faratampony, ny volana desambra 2021. Tsy naato anefa ny fangatahana ho an’ny hiragasy, satria naterin-dramatoa Rako­ton­drazafy Lalatiana, (minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina tamin’izany fotoana), an-tanana tany amin’ny foiben’ny Unesco, tany Paris, ny antotan-taratasy fanamafisana ny fangatahana. Nitohy indray ny fifandresen-dahatra isan-tsokajiny, mandra-pahatonga teo amin’ny fankatoavan’ny komitin’ny fanombanana ny volana novambra 2023, izay nialoha izao dingana farany izao.

Zo ny Aina

Partager sur: