Kaominina Imerintsiatosika : vita ny tsena Firaisankina mahazaka mpivarotra an’arivony

Marolafy ny fotodrafitrasa vaovao manova ny endriky ny tanàna eny amin’ny kaominina Imerintsiatosika. Vavolombelon’ny fikirizan’ny ankolafin-kery ny fahavitan’ireo.

Notokanana omaly ny fotodrafitrasa marolafy tao amin’ny kaominina Imerintsiatosika. Goavana indrindra tamin’izany ny fahavitan’ny tsena lehibe mahazaka mpivarotra an’arivony. Teo koa ny tranomboky fanovozam-pahalalana, ny Lapan’ny fanorona, ny lalana vita pavé ary ny mari-pamantarana tsangam-bato maha mpamokatra saretin’omby ny ao Imerintsiatosika.

Tsenaben’ny Firaisankina no nisaloran’ny tsena vaovao. “Vavolombelon’ny firaisankinan’ny mponina amin’ireo fokontany 36 sy ireo malala-tanana ary ny mpandraharaha ao an-toerana nifarimbona tamin’ny ezaky ny kaominina no nahavitana ireo fotodrafitrasa”, hoy ny ben’ny Tanàna, Andriambolanarivo Parisoa. “Nanaraka ny fenitry ny tsenambaro-panjakana ny tetikasa. Nisy ny olona tena nandray anjara ara-batana mihitsy, nazoto nandoa hetra”, hoy hatrany izy.
Nanomboka ny taona 2021 ny asa. Sady porofon’ny fandrosoana no endriky ny tanàna ny fotodrafitrasa vita. Hentitra ny ben’ny Tanàna nilaza fa ireo mpivarotra manodidina ny 400, nesorina teo amin’ny toerana, nanana faharetana nandritra ny fotoana nanaovana ny asa no laharam-pahamehana hiditra ao amin’ny tsena. Manaraka iza­ny ireo mpivarotra manamorona ny kaominina. Hodiovina tanteraka ny manoloana ny Lapan’ny tanàna ka ho azon’ny fiara handehanana.

Nanazava ihany koa ny ben’ny Tanàna fa mbola mipetraka ny fifampitokisana eo aminy sy ny mponin’Imerin­tsiatosika. Mangarahara ary miverina amin’ny vahoaka ny hetra amin’ny fananganana fotodrafitrasa iombonana. Pai­kadin’ny kaominina ny fanavotana haingana ny fotodrafitrasa rehefa misy fahasimbana. Tsy avela ho tena rava mba tsy handaniana volabe sy hitazomana hatrany ny endriny.

Tatiana A

Partager sur: