Rafanomezantsoa Jean Nirina : « Ilaina ny famoronana asa eto Madagasikara »

Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny filoha Rajoelina ny famoronana asa eto Madagasikara. Mifanome tanana amin’ny fiahiana ny sosialim-bahoaka ny Globo Madagascar

«Vina napetraky ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny fiahiana ny sosialim-bahoaka. Ny olana misy ny asa fa lasa mifidy asa ny ankamaroan’ny olona. Nanangana ny Globo Madagascar izahay ho fanampianay ny filoham-pirenena sy vahoaka malagasy », hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Globo Madagascar, Rafano­me­zan­tsoa Jean Nirina, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly. Nam­barany fa ny sosialim-bahoaka dia ny fananana trano fonenana, sakafo, fandriampahalemana, fahasalamana ary afaka mianatra ny ankizy. Nohamafisiny fa misy ny asa eto Madagasikara fa lasa mifidy asa ny olona. « Tsy tokony homena trondro ny olona fa omena fitana ». Noho izany, mifantoka tanteraka amin’izay lafiny fiahiana ny sosialim-bahoaka izay ny Globo Mada­gascar. Manodidina ny 300 mahery ny fitadiavana asa voarain’ny orinasa amin’ izao fotoana izao, raha ny fanazavana. Nilaza ity tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa Globo ity fa miainga amin’ny fambolena, fiompiana, fitrandrahana harena an-dranomamy, ny harena an-kibon’ny tany ny asa vao mivadika ho asa birao. « Tsy maintsy mi­asa aloha vao mihinana. Ny maha olona ny olona no mila avotana haingana amin’izao fahasahiranana iainan’ny olo­na izao », hoy izy. Ny sabotsy ho avy izao hisy ny dinik’asa hatao eny Soaniadanana misy ny tetikasa fifindra-monina miala ny tanàn-dehibe izay hijerena manokana momba ny sosialim-bahoaka. Tsy mampihemotra ny fanakianana satria ny olona no harena ka io no tsy maintsy trandrahina manokana.

Jean Claude

Partager sur: