Sabotsy Albert, mpandala fomban-drazana: “Mila famerenana an-doharano ny hasin-tanin’i Toamasina”

Anisan’ny mitelina olona matetika ny ranomasina any Toamasina, renivohitr’i Betsimisaraka. Voahosihosy ny hasiny ka ilaina ny famerenana izany an-doharano.

“Tsy tongatonga ho azy ny fahalasanan’ny olona na koa fiteleman’ny ranomasina olona fa noho ny fomban-drazana Betsimisaraka sy ny fomban-tanin’ i Toamasina, renivohitr’i Betsimisaraka voahosihosy”, hoy i Sabotsy Albert, fantatra amin’ny solonanarana hoe “Ombilahivola”, mpandala fomban-drazana sy mitsabo amin’ ny alalan’ny tromba.
Nilaza izy fa maloto sy very hasina ny tanànan’i Toa­masina. Misy toerana dobon-tromba tsy lavitry ny fari-dranomasina any amin’ny tanànan’i Toamasina, toerana fandroana mpanao tromba izy io nefa misy manao ma­loto eo amin’ireo karaobato, nametrahana ”Fisokiana”. Izay toerana masina ho an’ny mpitromba. Tsy vitsy ireo manao maloto izay lasa mitarika ny hatezeran’ny tromban-dranomasina ka lasa mitelina olona izy. Tsy tokony hisy olon-tsotra hilomano amin’ireo fari-dranomasina voalaza ireo fa lasa mifindra aminy ny loton’ny tromba nesorina tamin’ny alalan’ny fandroana sy fidiovan’ny mpanao tromba. Faty sisa no hita entin’ny ranomasina miakatra. Manaraka izay, tsy eken’ny tromban’i Betsimisa­raka ny fivezivezen’ny bengy sy osy manerana ny renivo­hitr’i Toamasina. Anisan’ny ilazana fa maloto i Toama­sina amin’ireo rehetra ireo.
Ho avy tsy ho ela ny fialantsasatra sy ny fotoam-pitsangantsanganana any an-toerana sy ny manodidina. Nohamafisiny fa ilaina ny fiverenana an-doharano ha­nome lanja ny fadin-drazana sy ny hasin’ny tany. Mba hi­sorohana ny loza mety hi­tran­ga ny tanjona tiana hotratrarina. Mba ho avotra fa tsy maty ny olona lasan’ny ranomasina. Nanentana izy fa tokony samy hiezaka hanaja ny fomban-drazana ho fanadiovana an’ i Toamasina sy fanajana ny fady.
Raha vita tanteraka ny fanadiovana sy fidiovana, azo heverina ho foana ny fiteleman’ny ranomasina olona. Ankoatra izay, tokony hamantatra ny fadin-drano koa ny mpivahiny vao milalao rano sy milomano. Anisan’ny fady tokony hohajain’ny olona ny tsy fihinanana henan-kisoa sy fanaovana mamo raha ho eny amin’ny ranomasina.

Mitsabo sy mitaiza
Mitsabo amin’ny alalan’ny tromba i Sabotsy Albert. Ani­san’ny mandray an-tanana ireo olona sahirana amin’ny resaka tromba mivoaka na tsy mivoaka ireny izy, amin’ny ankapobeny. Raisiny an-tanana izany ka afaka ma­moaka ny tromba izy. Raha olona te hanala tromba, azony atao ny mampiaraka ny fitsaboana moderina sy ny fomba fitsaboana nentim-paharazana. “Afaka mitoetra sy manasitrana olona iray eny amin’ny hopitaly ny hery miafina avy amin’ny razambe efa maty noho ny kolontsaina ara-pomban-drazana”, hoy izy nanamafy.
“Olona avy any Maha­velona Foulpointe ary mpihatona ny dobon’ i Maha­ve­lona teo aloha aho”, hoy hatrany izy. “Taorian’izay, ni­andry Doany tao Mahajanga ary nisy fotoana aho nilevim-belona nandritra ny roa taona tany anaty lava-bato. Nota­nan’ireo fanahy sy hery miafina tamin’ ireo tromba efa an-jatony monina sy onenako ato amiko”, hoy izy nitantara. Amin’ny ankapobeny, tsy mahay mamaky teny sy ma­noratra i Ombilahivola. Mbola zaza tsy ampy taona sy tsy mahafantatra inona akory ny tenany dia efa maty ny reniny. Efa nanomboka nandray fomban-drazana sy tromban’ireo razambe teo aloha izy vao feno taona. Nitarika azy tsy nihinan-kena hatramin’ izao fotoana izao izany.

Tsy zava-dratsy ny tromba

“Tsy zava-dratsy na fanaovana fanafody ratsy akory ny tromba. Raha tena mpandova, tsy hampiasa izany tromba izany amin’ny asa maloto “, hoy ny nambarany. Ho azy manokana, raha misy avy namono olona, namaky fasana, nangalatra taolana, nanolana ankizy ka manatona azy dia vakiana fotsiny ny ratsy ataony. Satria mandohalika ka mifona avy hatrany ary mamboraka tsy anontaniana ny zava-doza nataony tany ho any izy. Efa tojo zavatra toy izany izy ka nampiantso ny mpitandro filaminana. Aorian’ny famonoan’omby hangatahana tsodranon-drazana ary apetraka amin’ny hazo mahery marani-doha ny lohan’omby novonoina.

Afaka miova ho biby
Nanao fahagagana ihany koa i Sabotsy Albert, nandritra ny fijoroany tamin’ny tanàna tetsy amin’ny tsangambato Toama­sina II, tamin’ny volana septambra lasa teo. Niova ho omby iray lehibe ny sariny rehefa nalain’ny mpaka sary iray. Nandritra ny fiakarany avy nampandro tamin’ny rano mandeha sy miraraka anaty vato. Mbola niverina naka sary ihany izy io nandritra ny joro natao tao Mangabe Sahananto, ny volana oktobra lasa teo. Mbola niverina omby ihany izy tao anaty fakantsary. Nanambara i Sabotsy Albert fa tsy eken’io omby, entiny anarana io, ny fakana sary azy ka antony mahatonga azy miova toy izany. Ankoatra izay, “mety miova ankizy kely na amandotra ihany koa ny sary”, hoy hatrany izy.
Tonga betsaka nanatrika ireo asa ataony ireo ny tovovavy te hiampita ranomasina sy te hanambady vazaha. “Misy ihany koa ireo tsy te hanompo ny tromba mipetraka ao aminy ka tonga nanala izany taty amiko ary raisiko ny tromba ao aminy”, hoy izy.

Nanatontosa : Sajo

 

Partager sur: