Hamarana ny andian-tseho any Frantsa i Poopy. Efa tamin’ny volana oktobra no nihazo an’i Frantsa ny tarika. Seho maromaro no nomanin-dry Poopy, tontosa avokoa izany. Nahazo tombony aza ireo tsy mbola nahita, satria mbola misy seho faradoboka ny sabotsy 9 desambra izao, ao amin’ny Lapa Event, Paris. Hisy ny voandalana ho an’ireo mpankafy aty an-toerana.
Noho ny antony tsy miankina amin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (Fi.Mpi.Ma) maneran-tany. Hahemotra ny 16 sy 17 febroary 2024 ilay loabary an-dasy lehibe, saika natao ny 15 sy 16 desambra izao. Tsy hiova ny toerana fa eny amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy ihany. Tafiditra ao anatin’ny ivon’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ity fikambanana ity ny hetsika.
Niaka-daza tampoka tao anaty tambajotran-tserasera indray ny fomba hoenti-mamaky tarehimarika eo amin’ny Malagasy. Miankavia miankavanana sa avy aty ankavanana no miankavia? Tranga namoha indray ny sain’ireo Malagasy mpikaroka. Na izany aza, manana ny seha-piforonana ny teny malagasy. Tsy vitan’ny “siansa” ny hanova azy ireny, satria, fototra. Eo no mila mitandrina.
Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 22 desambra 2023, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny fampirantiana “Biopic”, karakarain’ny fikambanana Plum’art. Mampiavaka azy ity ny fitaomana ny olona hamantatra ny tsara ao aminy, amin’ny alalan’ireo hosodoka aranty.