Tazanim-potsiny : simba ny teny malagasy

Na tsy mitsikera aza, tsy manitsy ! Maro ny fahadisoana (miteny, manoratra) eo amin’ny teny malagasy, ankehitriny. Iray amin’ireo loza mitatao hanimba ny teny malagasy ny dokam-barotra. Atao tery vay manta, ohatra, ny fanakambanana ny teny vahiny amin’ny teny malagasy mba hanome na hilaza hevitra isan-karazany. Porofo iray lehibe ny tahaka izany fa tsy manan-kasina sy tsy misy lanjany eo amin’ny Malagasy, sasany, ny tenin-drazana ka tsy mampaninona azy ireny ny fahapotehany.
Tsy miteny tsy mivolana. Mitazam-potsiny ireo heverina fa afaka manitsy. Toa vao mainka aza miventy sy mamerimberina ny diso, ny sasany amin’izy ireny. Fihetsika maneho fa «izay diso, avelao ho diso any…» ! Na tranga (na olona) mahasorena na mampalahelo izao aza, lazain’ny sasany fa «mampihomehy». Taiza no nisy Malagasy nihomehy manoloana ny zava-tsy mety ? Tsy marina izany ! Kanefa na ireo heverina ho « olobe » amin’ny teny sy ny tany aza, saika miteny azy io avokoa. Tsy ny teny irery intsony no very hasina, manoloana ny tahaka izany, fa ny Malagasy tompony ihany koa !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: