VAOVAO TAMBATRA

Mitohy ny fanarenana ny tetezam-by any Mangapaika, PK 505, RN.4. Efa nisy ny toromarika nomena ny mpampiasa lalana amin’izany fanamboarana izany, saingy nisisika niditra ihany ny kamiao iray. Efa nesorina io fiarabe io, ary efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana, nanomboka omaly 6 desambra.

Nisitraka masomboly vary an-drano 1512 kg sy zezika NPK ary zezika biolojika 12 600 kg avy amin’ny tetikasa PURPA ireo tantsaha mpamokatra 168 ao amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Mamatsy vola ny tetikasa ny Bad. Tanjona ny hampiakarana ny taham-bokatra sy hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Mikatona manomboka ny 15 desambra 2023 hatramin’ny 15 febroary 2024 ny fotoam-panjonoana amin’ny ranomamy any amin’ny faritra Diana. Tsy voakasik’izany kosa ny fiompiana trondro an-dobo.

Nomena fampitaovana salotra vonjy aina fitondra an-driaka 50 sy tabilao famantarana toetr’andro ireo mpanjono ao amin’ny kaominina Analapatsy, distrika Taolagnaro, ho fitandroana ny mety hisian’ny loza an-dranomasina. Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny toekarena manga ka mila tohanana ireo mpiantsehatra samihafa.

Partager sur: