Andry Rajoelina : «Laharam-pahamehana ny fitsinjovana ny vahoaka madinika»

Tsy niandry ela, niasa sy nitsidika ny vahoaka sahady ny filoha Andry Rajoelina, andro vitsy taorian’ny namoahana ny voka-pifidianana. “Tsy maintsy hiasa ho an’ny vahoaka” hoy izy, tanatin’izany fidinana ifotony nataony izany.

Tontosa omaly, teny amin’ny kianja ANS Ampe­filoha, ny fizarana ny “Hazavana ho anao”, jiro mandeha amin’ny herin’ny ma­soandro sy ny fitaovana miaraka aminy. Raha tsiahivina, fanamby nataon-dRajo­elina Andry tamin’ny vahoaka, nandritra ny fampielezan-kevitra izao notanterahiny izao. Araka ny nambarany, fanombohana ihany ny omaly fa hitohy amin’ny toerana rehetra ny fizarana. Ankoatra ity fizarana jiro ity, nanamarika ny andron’ny omaly koa ny fidinana ifotony nataon’ny filoha Rajoelina Andry teny An­dra­no­manalina sy teny Anko­ron­drano Andra­no­ma­hery. Tan­jona amin’izany ny hamantatra sy hijery ifotony ny fijalian’ny mponina, indrindra ireo marefo ara-pivelomana. Niara-dalana taminy tamin’izany ireo olom-boafidy maro, anisan’izany Andriants­ito­haina Naina, ben’ny Tanà­nan’Antananarivo.

Famoronana asa sy fampiofanana
Ambentintenin-dRajoelina Andry ny hoe fitsinjovana ny madinika sy ny fanafainganana ny fampandrosoana an’i Madagasikara, taorian’ny nahalany azy ho filoham-pirenena indray. Ankoatra ny fizarana jiro, efa anatin’ny famolavolana tetikasa ho an’ny vahoaka madinika sy ny marefo ara-pivelomana ny filoha Rajoelina Andry sy ny mpiara-dia aminy. Hanatanterahana izany fanamby izany ny fitsinjovana ny madinika sy fanafainganana ny fampandrosoana. Anisan’izany ny famoronana asa sy fampiofanana ary fampitaovana ny marefo ara-pivelomana sy ny vehivavy. Tanjona ny hampiakatra ny fari-piainan’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fampitomboana ny vola miditra isan-tokantrano mba hampahaleotena azy ireo. “Afaka mandroso soa aman-tsara ny firenena rehefa mahaleo tena ny vahoaka ao aminy satria vesatra ho an’ny firenena tsy ahafahany mandroso ny fisian’ny tokantrano marefo ara-pivelomana”, hoy Rajoelina Andry.

Lin

Partager sur: