Ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona, misomebiseby sy mifanaretsaka ny olona ao Analakely. Nilaza ny avy amin’ny Société municipale de gestion digitale (SMGD) fa mitombo avo roa heny ny olona mifamezivezy eto Antananarivo. Toraka izany koa ireo fiara hifamoivoy.
Miakatra miantsena, maka entana, ny avy any amin’ny faritra sy ireo avy any ambanivohitra. Mampiasa fiara izy ireo hitaterana izany. Mitety tsena ihany koa misafidy ny entana. Mampahatsiahy ireo fampanarahan-dalàna ny SMGD hisian’ny filaminana sy fandrindrana ny fifamoivoizana eto en-drenivohitra.
Mila hajaina ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny fiantsonana amoron’arabe. Fihetsika iray tsy voatandrina dia mety hiteraka fitohanana be ka hitondra fahasahiranana ho an’ny mpampiasa lalana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra hatrany.
Anisan’ny voarara ny fiantsonana ambony lalana fandehanan’ny mpandeha an-tongotra. Eo koa ny fiantsonana amin’ny toerana efa misy takelaby fandraràna…
Tatiana A