Jiolahy enina indray saron’ ny polisin’ny Fip notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, tao Toamasina, omaly. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina famakiana tranona pasitera iray ao Andranomadio Toamasina, parisela 11/43, ny zoma 1 desambra 2023 teo ry zalahy ireto. Voaroba tamin’izany ny entana sarobidy rehetra tao an-tranon’ity mpanompon’ Andriamanitra ity. Efa tafaverina avokoa ireo entana halatra rehetra taorian’ny nahatrarana ireto jiolahy raindahiny ireto. Taorian’io fanafihan-jiolahy io, tsy nipetra-potsiny ity pasitora ity fa nanao ny fomba rehetra nikarohana ny entana halatra rehetra. Nanao izay ho afany rahateo koa ny polisy tamin’ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy. Nahitam-bokany izany satria tazana tao amin-dRafanomezantsoa Rahely Jean Barro tao Ambolomadinika Toamasina, ny alarobia teo, ny finday marika Redmi not2. Nosamborin’ny polisy avy hatrany ity lehilahy nahatrarana entana halatra ity. Nitohy ny savahao rehetra nataon’ny polisy tao amin’ny tsenam-borondolo Ambolomadinika. Olona enina indray voasambotra izay voasaringotra tamin’ity raharaha fanafihana ity sy ny firaisana tsikombakomba amin’ireo mpandray entana halatra. Niaiky ny heloka vitany ireo jiolahy nandritra ny famotorana nataon’ ny polisy.
Sajo/J.C