Cop28 : hamafisina ny fiaraha-miasan’ny Airtel sy ny tsy miankina

Mandray anjara amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena manoloana ny fiovan’ny toetr’ andro, Cop 28, any Dubaï ny vondrona Airtel Africa plc. Nohamafisin’ny tale jeneraly (DG), Segun Ogunsanya, ny 6 desambra teo, fa zava-dehibe ny fisian’ny paikady manome lanja ny fampandrosoana ma­haritra sy ny mahakasika ny toetr’andro iarahana amin’ny sehatra tsy miankina aty Afrika.
Mpikambana ao anatin’ny Fiombonamben’ny afrikanina mpandraharaha (ABLC) ankatoavin’ny Firenena mikambana i Segun Ogunsanya. Nantsoiny ny mpandraharaha sy ny governemanta afrikanina ha­mondrona ny hery, mba hisian’ ny fampandrosoana maharitra sy hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro.
Natomboka tamin’ny taona 2022 ny « Tetikasa maitso », mifantoka amin’ny toekarena mihodina, toy ny fanoloana ny fitaovana efa lany andro, mba tsy hiantraika ratsy amin’ny tontolo iainana, sady hampihenana ny fiparitahan’ny en­tona karbona (GES). Tsy nataon’ny Airtel Africa intsony ny fandoroana ny fako anka­lamanjana, nanomboka ny marsa 2023. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny tomponandraikitra eo an-toerana, ny vondron’olona ifotony, ny fiarahamonina sivily ary ny tsy miankina. Tanjona ny hampihenana 60% ny fandoroana fako an­kalamanjana amin’ny taona 2030, ary foanana tanteraka amin’ny taona 2040.
Iombonan’ny Airtel sy ny orinasa afrikanina ny hanafainganana ny paikady ara-toekarena mitsinjo ny ho avy.

Njaka A.

Partager sur: