Novolavolaina tao anatin’ny taona maro ! Raikitra fa hotanterahina manomboka ny taona 2024 ny tetikasa « Tokantrano iray, valiha iray ». Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Foibe fikarohana sy fampianarana momba ny valiha « Valiha Académie » izy ity, ho fampitiavana ny kolontsaina sy zavakanto malagasy.
Sedra telo lehibe no tsy maintsy nitadiavam-bahaolana, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Anisan’izany ny tsy fahafantaran’ny Malagasy (indrindra fa ny tanora), ny valiha sy ny momba azy. Faharoa, ny tsy fahampian’ny akora fototra handrafetana ny valiha. Fahatelo, ny vidin’ny valiha manoloana ny fahafahan’ny Malagasy manjifa izany.
Raha ny fanazavan’ity tomponandraikitra ity hatrany, hiainga hatrany ifotony (fambolena volobe) ka hipaka hatrany amin’ny fampianarana ny momba ny tontolon’ny valiha (fitendrena, fomba amam-panao sy kolontsaina mifandraika amin’ny valiha…), ity tetikasa ity. Nohamafisiny anefa fa « lehibe i Madagasikara, noho izany, afaka miara-miasa amin’izay vonona ny hanatanteraka ny « Tokantrano iray, valiha iray » », ity foibe ity.
HaRy Razafindrakoto