Voatendry ho lehiben’ny mariboninahi-pirenena ny Jly Ranjeva Marcel, araka ny tapaka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Efa minisitry ny fiarovana, fony fitondrana Ratsiraka ary minisitry ny Raharaham-bahiny, tamin’ny fitondrana Ravalomanana izy.
Niarahaba ny fahavitan’ny fifidianana ny Japoney, tamin’ny alalan’ny mpitondra tenin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, i Maki Kobayashi. Nizotra tamim-pilaminana izany ary vonona hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny filoha izy ireo. Takiny anefa ny hifampidinihan’ny hery rehetra.
Nikaondoha ny birao politika nasionalin’ny HVM, afakomaly, teny Andraharo. Nitarika izany ny filohany, Rajaonarimampianina Hery. Nivoitra ny nametrahana ny drafitra sy ny paikady, hanohizana ny tolona. “Tsy maintsy mijoro hatrany isika”, hoy izy.
Hanao hetsika tsy fankasitrahana ny fifidianana ireo Malagasy atsy La Réunion, ny alahady izao. Nanterin’izy ireo fa tsy azo ekena velively ny hosoka sy ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana sy ny nialoha izany ka anton’izao fanoherana atao izao.