Notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny fifidianana ny ho filoha lefitry ny Antenimierampirenena, ho an’ny faritanin’Antananarivo. Voafidy tamin’izany ny solombavambahoaka, Raholdina Naivo, tamin’ny isam-bato 74 amin’ireo depiote miisa 132, nifidy. Nifaninana taminy tamin’izany ny depiote voafidy tany Antanifotsy, Rafidimanana Narson. Nahazo vato miisa 58 amin’ireo solombavambahoaka 132 ny tenany tamin’izany.
Nambaran’ireo depiote sasany fa manomboka mivaha ny fifampifehezan’ireo samy eo anivon’ny IRD, manoloana ity fifidianana ity. Maro amin’izy ireo no efa tsy manaja intsony ny toromarika omena rehefa amin’ny fanaovana latsa-bato miafina tahaka izao eny anivon’ny Antenimierampirenena. Maherin’ny 100 anefa izy ireo raha ny nambaran’ireo depiote akaikin’ny fitondrana. Na izany aza aloha, mbola maro anisa ny solombavambahoaka eo anivon’ny IRD, eny Tsimbazaza.
Tsiahivina, hisolo ny toeran’ny filoha lefitra teo aloha, efa nodimandry, Rasolonjatovo Honoré, ny depiote Raholdina Naivo manomboka izao.
Etsy andaniny, andrasana ny ho fanapahan’ny HCC amin’ny ho depiote avy any Faratsiho. Efa nodimandry koa ny mpisolo toerana tokony hisahana izany andraikitra izany. “Miankina tanteraka amin’ny eny anivon’ny HCC ny momba izany”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine.
Synèse R.