SAF-FJKM-BNGRC : nofanina hanamory drone ireo teknisianina

Miantsehatra amin’ny fitantanana ny loza voajanahary ny teknisianina ao amin’ny Saf/FJKM. Nofanina mahakasika ny fanamoriana drone izy ireo hanatsarana ny fomba fiasa. Hanatsara sy hanafaingana ny asa famonjena, ny fanangonana antontam-baovao marina ary ny fandrafetana an-tsaritany ireo faritra mety ho tra-doza ny fampiasana drone.
Hanamora ny famonjena tokony hatao amin’ireo tra-doza ihany koa amin’ny fahafantarana haingana ny toerana misy azy ireo.
Nifantoka tamin’ny fitandremana sy fahafantarana ireo asa maha olona. Miban­jina ny fanomezana ireo ekipa ny fahalalana fototra ilaina, mba ahafahana misoroka sy mamaly ary manao ny tombana raha sanatria misy loza miseho ihany koa ny fiofanana nomena.
Hampihena ireo mety ho tandindon-doza ny fampiharana ireo fahaizana amin’ny fanamoriana drone. Mana­faingana ny fanaovana tombana haingana ny filàna maha olona indrindra koa.
Ny saritany 3D an’ireo faritra mety ho tra-doza dia ahafahana manao ny drafitra mahomby amin’ny asa famonjena. Mandray anjara koa amin’ny fandraisana an-tanana mirindra sy ara-drariny ho fiadiana amin’ireo olana apetraky ny tontolo eto Mad­aga­si­kara.
Tamin’ny alalan’ny tetikasa LLGI, vatsin’ny Coopéra­tion allemande (BMZ) sy ny Diakonie Katastrophen­hilfe (DKH) , iarahana amin’ny GNDR no nanombohan’ny fiaraha-miasan’ny Saf-FJKM sy ny BNGRC.
Maneho ny fahaiza-ma­naon’ny ekipan’ny SDOA ao amin’ny BNGRC ny fiofanana.

Tatiana A

Partager sur: