SOMBIM-BAOVAO

Manomboka manatanteraka fifaninanana avy ireo seksiona anivon’ny ligy eto Madagasikara. Anisan’ireo efa manao izany ny any Bongolava, ny alarobia lasa teo. Ankoatra izay, miditra amin’ny manasa-dalana izao ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ Anosy. Marihina fa ny alahady lasa teo ny ampahefa-dalana.

Notanterahina ny alarobia lasa teo, ny andro faha-15 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre “Premier League”. Lavon’ny Aston Villa tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Manchester City, tao amin’ny kianjan’ny Villa Park. Araka izany, niakatra eo amin’ny laharana fahatelo ny Aston Villa raha toa ka midina fahefatra ny Manchester City.

Hotontosaina ny talata ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra. Marihina fa anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro amin’izany, ny fihaonan’ny Manchester United, klioba anglisy sy ny Bayern Munchen, klioba alemà.

Nivarina any amin’ny diviziona faharoa ny klioban’ny Santos Brésil, araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera omaly. Marihina fa 112 taona izay izy ireo no nifaninanana tamin’ny diviziona voalohany. Tsara ny mampahafantatra fa tao amin’ity ekipa ity avokoa no nivoahan’ireo kintan’ny baolina kitra brezilianina toan-dry Pélé, Neymar, Rodrygo.

Partager sur: