Torolalana sy torohay : Ivontoeram-panofanana 18 no manana mpanolotsaina

Natao hamaly ireo filana momba ny torolalana sy ny torohay eo amin’ny lafiny fampianarana sy mifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny rafi-pampianarana malagasy (LOSEM) ny fanofanana ny lehiben’ny Sampandraharaha momba ny information sy ny orientation (SIO).

Amin’izao fotoana izao, ivontoeram-panofanana 18 amin’ny 145 ihany no manana mpanolotsaina mo­mba ny information sy orientation. Manamafy ny fahaiza-manaon’ny lehiben’ny SIO amin’ny fitaleavam-paritra mi­isa 21 ny fiofanana miaraka amin’ny fanohanan’ny Unesco.
Notanterahina nanomboka ny alatsinainy teo ka hatramin’ny anio, ny atrikasa fanofanana tarihin’ny fitaleavana misahana ny fanofanana ireo mpandraharaha sy mpampiofana, izay rantsa-mangaikan’ny fitaleavana jeneralin’ny Haipaika fanofanana. Tonto­saina any amin’ny faritra telo: Atsimo (Fianarantsoa), Atsi­na­nana (Toamasina) ary Andrefana (Mahajanga) ireo atrikasa ireo. Tanjona ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo Sampandraharaha miandraikitra ny torolalana sy ny torohay eo anivon’ny talem-paritra, amin’ny fanomezana fahalalana sy fomba fanao fototra. Eo ko ny fanolorana traikefa fanofanana ho an’ireo mpampiofana nasionalin’ny minisitera mpiahy momba ny information sy ny orientation, izay mikendry ny hanatsara ny fahaizany mitantana.
Farany ny fanamorana ny fifanakalozana eo amin’ny samy sampandraharaha, hiresahana ny zava-misy mivaingana mifandraika amin’ny asany. Izany dia atao amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny samy mpampiofana sy eo amin’ny sampandraharaha ka hampiroborobo ny fahatakarana lalina ny fanamby sy ny fomba fanao tsara indrindra eo amin’ny sehatry ny information sy ny orientation. Manampy ny mpiofana rahateo ny fisian’ny mpanolotsaina manao tari-dalana.

Vonjy A.

Partager sur: