Nanome toromarika manokana ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) ho an’ireo mpandeha taksiborosy sy ireo mpamily amin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao. Ho an’ny mpandeha, mila hamafisina ny fonon’ireo entana izay tsy maintsy hiakatra ambony tafon’ny fiara na ho an’ireo miditra “soute” mba tsy ho lena na simban’ny orana.
Mitondra elo, akanjo miaro amin’ny orana, akanjo mafana isorohana amin’ny aretina tampoka mandritra ny dia ka hiteraka fanelingelenana ho an’ny mpiray fiara.
Mila tonga ara-potoana mba hisorohana ny fahatarana dieny eo am-piaingana. Mety hanantombo amin’ny mahazatra ny dia rehefa fahavaratra noho ny antony maro ka mila mivonona amin’izany.
Mitondra rano sy sakafo atao vatsy an-dalana satria tsy hay izay zavatra mety hitranga eny an-dalana na taraiky amina toerana tsy misy mpivarotra.
Aza hadinoina ny mifampitsinjo, indrindra fa ho an’ireo mpandeha izay mety hila fanampiana manokana eny an-dalana, toy ny vehivavy bevohoka, mitaiza kely, zokiolona na olona manana fahasembanana …
Ho an’ny mpamily fiarakodia, mila ampitomboina ny fahamailoana sy ny fitandremana amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Mandeha mora fa malama ny lalana rehefa avy ny orana. Mihena ny fahitana vokatry ny rotsakorana sy ny zavona. Tsara hatrany ny manaraka ny vaovao momba ny toetr’andro ahafahana miomana.
Tatiana A