Nambaran’ny vondron’ny kandidà «C11», omaly, fa tafatsangana ny «Cellule de crise». Natao hamaritra sy handrindra ireo hetsika rehetra hatao manerana an’i Madagasikara manomboka amin’ny herinandro ho avy izao izany.
Etsy andaniny, efa namolavola lalàm-pifidianana vaovao ny eo anivon’ny C11. Natao hanatsarana ny lalàna efa misy izany, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.
Ankoatra izany, noraisin’ ireto vondron’ny kandidà ireto ny soso-kevitra avy amin’ireo mpanara-maso ny fifidianana sy ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. «Tsy maintsy sorohana ireo krizy politika hateraky ny fifidianana toy ireo efa nitranga matetika ka niteraka fahasahiranana teto amin’ny firenena», hoy ny mpitondra tenin’ny C11, Andrianainarivelo Hajo. Takin’izy ireo ny hanohizana ny dinika efa notarihin’ny «Pan-FFKM» mba handravonana ireo disadisa ary koa ny hampitsarahana ny fanenjehana. «Mampiseho ireny fa tsy milamina ny raharaha anatin’ ny Foloalindahy manoloana ireo fampiantsoana sy famotorana nisesisesy noho ny ahiahy amin’ny fikomian’ny miaramila», hoy ny C11.
Tsiahivina fa anisan’ireo niatrika izao fivoriana sy namoahana ny fanambarana izao ireo depiote Tim, ahitana an’i «Del kely sy Razafimanantsoa Hanitra. Eo koa ny mpahay lalàna avy amin’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny Me Rakotomalala Rija. Tsy tazana kosa Ratsiraka Roland sy Randrianasoloniaiko Siteny…
Randria