« Festival Sar’nao » : hitohy eny amin’ny CGM ny hetsika

Tanterahina ny 11 hatramin’ny 16 desambra 2023, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Analakely), ny fampirantiana «Street Photography», karakarain’ny Photo Club CGM. Marihina fa mbola tafiditra ao anatin’ny «Festival Sar’nao», andiany faha 14, ity hetsika ity. Mpahay kanto, mpaka sary pika maro no handranty ny sariny amin’io fotoana io. Samy haneho ny maha izy azy ny mpahay kanto tsirairay fa iraisan’ny rehetra kosa ny lohahevitra “Street Art”, izany hoe, sarin’ny lalana.
Mitohy hatrany ny “Fes­tival Sar’nao”, andiany faha 14, sy ny “Mois de la Photo”. Raha tsiahivina, ireo niatrika ny atrikasa mahakasika ny sary amin’ny famaitso no nisantatra izany. Anjaran’ny CGM Analakely indray ny mandray ny hetsika ary hahazo sehatra ireo matihanina ao anatin’izao fampirantiana izao. Aseho anatin’izany fa anisan’ny mitana anjara an­draikitra lehibe ny sary pika. Anisan’izany ny fanehoana ny hatsaran’ny zavatra iray. Eo ihany koa ny fanomezany fahafahana hankafy fotoana iray, izay mandalo vetivety.
Ankoatra ny fampirantiana, hisy ihany koa ny fampirisihana ireo maniry hiditra amin’izany sehatra izany, amin’ny alalan’ny fizarana traikefa sy fahaiza-manao, ataon’ireo efa matihanina. “Vonona izahay hitondra sy hizara ny traikefanay, ary haneho ny maha izy azy ny sary pika”, hoy i Sanganirina, anisan’ireo hampiranty ny sariny.

Lin

Partager sur: