Hentitra ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny Jly Ravalomanana Richard sy ny prefet de police, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Nampitandrina ireo halaim-panahy hanakorontana izy ireo amin’izao hanaovan’ny filohan’ny Repoblika fianianana izao.
Nambaran’ny prefet de police, ny Jly Ravelonarivo Angelo fa hihamafy kokoa ny fanamafisana ny fitandroana ny filaminana. “Voarara ny hetsika politika amin’ izao manakaiky lanonana fametrahana ny filohan’ny Repoblika izao. Maro ireo olona ambony ho avy eto amintsika manomboka amin’ ny herinandro”, hoy izy. Nanteriny fa noraisina ny fanapahan-kevitra sy ny fepetra ka hametrahana ny hery fiarovana manokana amin’ireo toerana na faritra mena sy ahina eto an-drenivohitra. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ izany ny etsy amin’ny kianjan’ ny 13 mey sy ny manodidina rehetra. Tsy maintsy arovana avokoa izany. Eo koa ireo mpitandro filaminana fiandry sy efa vonona manoloana ny mety hisehoan’ny fanakorontanana. “Tsy azo ihodivirana ny nandraisana izany fepetra izany noho isika handray ireo vahiny marobe sy tomponandraikitra ambony samihafa avy any ivelany. Atrehina ny fahatongavan’ireo vahiny ireo”, hoy ihany izy.
Tsy maintsy raisina ny fepetra
Nanamafy izany ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny jeneraly Ravalomanana Richard. “Tsy maintsy handray ny andraikiny ny mpitandro filaminana rehefa misy ny manakorontana. Raha mbola izahay no eo, tsy maintsy raisina ny fepetra”, hoy izy. Manantena ny olona tsy hanaotao foana izy. Tsy misy mijery rehefa voasambotra. Aza manaiky hanao toy izany. Ireo manentana amin’izany no tokony hasaina tonga eo hilanja sora-baventy. “Aza hararaotina ny fahantran’ny vahoaka”, hoy izy.
Synèse sy R. Nd