Fiaraha-miasa ara-tafika : nandray anjara tamin’ny « EDEX 2023 » ny MDN

Notanterahina tany Egyp­ta, ny herinandro teo, ny andiany fahatelo amin’ny hetsika « EDEX », « Egypt De­fen­ce Expo 2023 », Teo ambany fiahian’ny filohan’ny Repoblikan’i Arabo any Egyp­ta sady filoha faratampon’ny Tafika egypsiana, Abdel Fata El Sisi. Ny Tafi­ka egypsiana no tompon’antoka tamin’ny fikarakarana izany hetsika anisan’ny lehibe indrindra amin’ireo fampirantiana ara-piarovana aty amin’ny ta­pany avaratr’i Afrika. Ireo tomponandraikitra ambony mi­sa­hana ny fiarovana avy amin’ireo firenena miisa 105 manerana izao tontolo izao no voaasa ho mpandray anjara tamin’ity indray mitoraka ity. Anisan’ ireo nahazo fanasana i Mada­gasi­kara tamin’ny alalan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoari­jaona Josoa. Fotoana manokana ha­nomezana sehatra ho an’ireo mpampiranty, hampisehoana ireo hiaka farany amin’ny fitaovam-piadiana sy kojakoja ara-miaramila, mifanaraka amin’ny teknolojia vaovao sy fampiasa amin’ireo vondron-tafika an-tanety sy ana habakabaka ary an-dranomasina. Mandritra izany no hanaovan’ireo tomponandraikitry ny fiarovana fihaonana sy fifampizarana traikefa eo amin’ny samy firenena ka handrindrana ireo teti-pivoarana mahomby rehetra. Nihaona manokana tamin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena egypsiana, ny Jly Mohamed Zaki, ny MDN. Tombony lehibe ho an’i Mada­ga­si­kara, araka izany, ny fandraisana anjara amin’ity « EDEX 2023 » ity mba ho fanatsarana ireo teknika ara-pitaovana sy ireo paikady mifanaraka amin’ny lenta iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny fiarovana. « Tanjo­na ny hampiakarana ambony ny tahan’ny fandriampahalemana manerana ny faritra rehetra na efa misy hatrany aza ireo ezaka maro atao eny an-kianja sy eny amin’ny sehatra maro samihafa », hoy ny MDN.

Jean Claude

Partager sur: