Fikarohana ara-tsiansa: mpikaroka fito nampiakarina ho tale

Mpikaroka fito no nampiakarina amin’ny laharana maha talem-pikarohana, 10 kosa amin’ny laharana talem-pikarohana miara-miasa, araka ny didim-panjakana navoakan’ny filankevitry ny minisitra.
Noraisina tamin’ny fomba ofisialy teny Ivandry izy ireo, tamin’ity herinandro ity. Niton­dra ny teny fiarahabana ho azy ireo avy amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Profesora Assoumacou Elia Béatrice, nandritra ny lanonana, ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Profersora Salava Julien. Anisan’ny fitakiana na­taon’ny mpampianatra mpikaroka, sampana Antananarivo, ny fiakarana “grade” tahaka izao ho fanomezana lanja ny asany.
Nivoaka tamin’ny filankevitry governemanta ny 29 no­vambra lasa teo ny fampitoviana lenta ny mpampianatra mpi­karoka sy mpikaroka mpa­mpianatra amin’ny fisalorana “toges universitaires”.

Vonjy A.

Partager sur: