Fitantanana ny loza : tanora 108 avy amin’ny faritra 4 nomena fiofanana

Naharitra 3 herinandro ny atrikasa fametrahana ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo ho amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ary ny fampiofanana azy ireo. Natao tany amin’ireo faritra efatra notsongaina manokana noho izy ireo voasokajy ho faritra atahorana ny fiofanana. Ani­san’izany ny tany amin’ny faritra Anosy, Boeny, Analanjirofo ary Atsinanana.
Tanora mpilatsaka an-tsitrapo miisa 108 , avy amin’ireo fikambanana maro, ireto nanolo-tena ho mpilatsaka an-tsitrapo ireo. Tanjona ny hanomezana fahaiza-manao ireo tanora ireo hitarika ny hetsika fi­fan­draisana eny anivon’ny fiarahamonina sy ny fokontany.
Izy ireo ihany koa no mpisehatra fampitaovana amin’ny fanentanana sy fanaparitahana vaovao eo amin’ny fiarahamonina mahakasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Mifehy ny fanomanana ny vondrom-piarahamonina hiatrika ny loza mety hitranga. Hamolavola drafitrasa miaraka amin’ny fanatanterahana ny asa an-tserasera fanentanana eny anivon’ny fokontany.
Handray anjara amin’ny fanatanterahana ny hetsika fampitam-baovao ireo mpilatsaka an-tsitrapo, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra.

Aorian’ny fampiofanana dia handray andraikitra eny ifotony avy hatrany ireto mpila­tsaka an-tsitrapo ireto ary hanentana ny fiarahamonina.

Tatiana A

Partager sur: