Fitaterana ana habakabaka : hanokatra lanitra amin’ny firenena Arabo sy Azia i Madagasikara

Vina apetraky ny fitondram-panjakana ny hanokafana ny lanitr’i Madagasikara amin’izao tontolo izao, hampiroboroboana ny fitaterana ana habakabaka. Ankehitriny, kaompania maro avy any ivelany no liana amin’ny fanaovana sidina mankaty Madaga­sikara. Tetikasa izay mifanindry an-dalana amin’ny tanjona apetraky ny fanjakana amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany sy hanatrarana ny mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny taona 2028. Araka izany, “hisokatra amin’ireo firenena ao “Moyen-Orient” sy ny Asie Mineure, Inde sns ny lanitr’i Madagasikara, hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny “aviation civile” teny Ivato, ny alakamisy teo. Nilaza izy fa tsy hijanona ao Eoropa ny sidina ataon’ny kaompania malagasy fa efa misy ny fifanarahana amin’ireo kaompania hafa manao sidina mankaty Madagasikara.

Tombony

Tsy natao ho sakana tsy hanatrarana ny tanjona apetraka ny olana misy eo amin’ny Madagascar Airlines. Efa misy rahateo ny dingana sy fepetra noraisin’ireo tomponandraikitra hanarenana ny kaompania. Noho izany, hiverina tsy ho ela ny sidina ataony. Tsiahivina fa mitentina 100 tapitrisa dolara ny fanarenana ny Madagascar Airlines ka hampidrana vola 20 tapitrisa dolara amin’izany ny Banky iraisam-pirenena.

Henintsoa Hani

Partager sur: