Hanoro ilay toerana misy lohan’olona : dahalo roa maty rotiky ny balan’ny zandary

Dahalo maromaro no voarohirohy tamina trangana fanapahan-doha nisesisesy tao amin’ny distrikan’i Vondro­zo, ny herinandro teo. Roa tamin’ireo dahalo voasambotra no niaiky fa nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana na­hatapahan-doha ny renin’ny lefitry ny sefo fokontany Miari­narivo Andoharano, distrikan’i Vondrozo. Fantatra nandritra ny famotoran’ny zandary fa misy lavaka lehibe iray akaikin’ny renirano nanjonoan’ilay ramatoa no namonoana azy. Ao no nametrahan’izy ireo ny lohan’ny maty. Ny talata vao maraina teo, nidina tany amin’io toerana io ny zandary niaraka tamin’ireo olon-dratsy roa lahy hanoro ny toerana nametrahan’izy ireo ilay lohan’olona. Teo am-panaovana savahao ilay toerana, nasaina nidina hijery ilay lohan’olona tao anaty lavaka ny dahalo iray. Nitodika tampoka izy sady nisintona mafy ny basina zandary tao afarany mba hiara-hilatsaka aminy ao anaty lavaka. Afa-niala anefa io zandary io ka voatery nitifitra azy ka maty tsy tra-drano. Nirifitra nitsoaka tampoka ilay namany raha nahita ny fifanjevoana tamin’ny zandary. Nifanenjehana izy saingy tsy lasa lavitra dia maty voatifitra koa. Tsy nahitana lohan’olona, araka ny voalazan’izy ireo anefa, teo amin’io toerana notondroiny io. Nomarihin’ny zandary fa dahalo raindahiny mpamerin-keloka izy roa lahy ireo. Efa nanaovan’ny fokonolona taratasy fitarainana tany amin’ny zandary.

Jean Claude

Partager sur: