Maherin’ny 65 000 ireo mpitsidika : faranana amin’ny seho ara-javakanto ny fandalovan’ny Logos Hope

Tapitra amin’ity faran’ny herinandro ity ny fivahinianan’ilay sambo Logos Hope ao Toamasina. Seho ara-javakanto anatiny sy ivelan’ity sambo miendrika famakiam-boky goavana ity no hamaranana izany.

65 000 mahery omaly zoma. Azo antoka fa mbola hitombo isa ireo mpitsidika ny sambo Logos Hope, anio sy rahampitso. Herinandro maromaro izay no nisafidy an’i Madaga­sikara ny ekipazin’ity sambo fivarotana sy famakiam-boky goavana indrindra maneran-tany ity. An’arivony ireo mpitsidika nanararaotra izany, izay avy amin’ny faritra maro. Mazava loatra fa nahazo tombony ireo mponina any An­tsiranana sy Toamasina, izay niantsonany.
Ankoatra ny fampitiavana ny boky sy ny vaky boky, sehatra iray ho an’ny fifakalozana ara-kolontsaina sy fivoizana ny Filazantsara amin’ny endriny maro ihany koa ny Logos Hope. Tsy fividianana sy famakiana boky fotsiny, fa misy hetsika maromaro ihany koa mifanindran-dalana amin’ izany, karakarain’ny ekipaziny.
Tontosa omaly zoma ny “Foara ara-kolontsaina”, izay tao anatin’ny sambo ihany. Mpanakanto miisa 60 mahery, avy amina firenena maro, no samy naneho ny endri-kolontsaina avy amin’izay niaviany avy. Tamin’ny alalan’ny fitafy, lalao ary fampisehoana isan-tsokajiny izany. Hitohy anio, amin’ny hetsika “Tonga ny fahazavana”, izay natao hizarana ny tenin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny hira sy dihy ny fotoana. Hisy ny fijoroana vavolombelona hataona fianakaviana avy any amin’ny faritra Androy mandritra izany.
Hetsika ivelan’ny sambo kosa ny “Krismasy mahatalanjona”, izay hotontosaina ny alahady 10 desambra. Hatao eo ivelan’ny Lapan’ny Tanà­nan’i Toamasina ny seho, izay ahitana ny fandraisana anja­ran’ireo antoko mpihira avy amina fiangonana maro ao Toamasina. Eo hatrany ny seho homanin’ny ekipazin’ny Logos Hope, hizarana izay hafaliana noho ny Krismasy izay. Maimaimpoana avokoa ny seho, saingy mila tapakila ny anio, izay ao anatin’ny sambo.
Fantatra fa hihazo an’i Maputo, any Mozambika in­dray, ny sambo Logos Hope rehefa avy ao Toamasina, ny talata 12 desambra.

Zo ny Aina

Partager sur: