“Vinavinaina hiasa amin’ny fiandohan’ny taona 2024 izao ny train urbain mampitohy an’i Soarano sy Ambohimanambola”, hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, ny alakamisy teo. Nahemotra, hoy izy, ny fampandehanana ity fitaterana an-dalamby ity, noho ny fanamboarana samihafa, toy ny fanatsarana ny lalamby sy ireo pitsompitsony mifanaraka amin’izany. Efa ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina avokoa ireo fitaovana hampiasaina amin’ny fotodrafitrasa samihafa ka miandry izay ahavitan’ny asa rehetra isika, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Mbola handeha solika ny zotram-pitaterana na eo aza ny tetikasa amin’ny fampandehanana azy amin’ny herinaratra. Ity farany izay tena mandany kokoa raha oharina amin’ny solika. Fantatra fa hahazaka hatrany amin’ny 300 olona ny train urbain ka hanampy betsaka amin’ny fivezivezen’ny mponina. Tsiahivina fa tokony ho noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny volana jona teo ny tetikasa, nihemotra ho ny volana aogositra indray ary izao andrasana amin’ny fiandohan’ny taona 2024 izao indray.
Henintsoa H.