SOMBIM-BAOVAO

Manatanteraka fivoriambe eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny Fede­rasiona malagasin’ny basikety. Nanomboka omaly zoma 8 desambra izany AG izany ary mbola hitohy ho amin’ny anio. Hampahafantarin’izy ireo anio ihany koa ny fandaharam-potoana miandry, ho an’ny taom-pikatrohana 2024.

Notontosaina omaly zoma 8 desambra, teny amin’ny Yandy Bypass, ny fihaonamben’ny mpankafy sy mpisehatra ny taranja Volley-ball malagasy. Fiarahana nifety sy nilanona no natao teny an-toerana izay, nahavory ny fianakaviamben’ny Volley manerana ny Nosy. Nisy ihany koa ny dinika ho fanatsarana ny taranja nandritra izany.

Hofantatra ny alatsinainy ho avy izao ny anaran’
izay afrikanina mpilalao baolina kitra, hibata ny “Ballon d’or africain 2023”, mandritra ny lanonana “CAF Awards”. Tsiahivina fa ilay egypsianina, Mohamed Salah, sy i Hakimi, maraokanina ary i Osimhen, nigerianina no hisafidianana amin’izany.

Hotontosaina eny amin’ny kianjan’Ambohidra­trimo, manomboka anio, ny andro fahatelo fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo” (GTA). Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonan’ny Cosfa sy ny Mama FC. Marihina fa mbola manana lalao tara iray ny Mama FC amin’ity fifanintsanana ity.

Partager sur: