Toamasina: tratra ny andian-jatovo mpitsindrona rôrô

Lasa toerana fivezivezen’ny kazarana zava-mahadomelina mahery vaika isan-karazany ny ao Toamasina. Tsy vitan’izany fa ireo tanora miandahy miambavy no tena manjifa izany sady tsy mifidy taona. Nanao hetsika manokana ny teo anivon’ny polisin’ny Fip ao Toamasina tarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Taorian’ny angom-baovao rehetra nataon’ny polisy no nahafantarana fa misy mivarotra sy mitsindrona Rôrô ao amina trano fandraisam-bahiny iray ao Ankirihiry Toamasina, parisela 11/58. Nilatsaka tampoka tao amin’ity trano ity ny polisy ka voamarina tokoa ny fisian’ireo andiana tanora nitsindrona zava-mahadomelina. Tratra ihany koa ny mpivarotra sady mpanaparitaka izany avy any Analamboanio Sainte Marie. Nitohy ny fisavana ka tratra ihany koa ireo vehivavy mpandray ity karazana zava-mahadomelina ity. Niaiky ny heloka vitany avokoa izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nilaza izy ireo fa tsy vao izao no nandray izany zava-mahadomelina izany fa efa hatry ny ela saingy izao kosa vao tratra.

Sajo

Partager sur: