VAOVAO TAMBATRA

Ho raisin’ny fanjakana an-tanana ny fandoavan-ketra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fi­taovana ilaina amin’ny tetikasa Teleferika (transport par câble). Voakasik’izany ny fitaterana an-tariby ho an’ny ampahan-dalana mampitohy an’i Soarano sy Ivandry, ao anatin’ny zotra volomboasary (Anosy-Ambatobe).

Handray anjara amin’ny fivorian’ny Fida 13, hatao any Parisy Frantsa, ny 14 sy ny 15 desambra izao i Madagasikara. Ny fivoriana iraisam-pirenena mom­ba ny fampandrosoana (Fida) andiany faha-13. Famatsiam-bola iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena ny Fida.

Nankalazaina ny 7 desambra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fifamoivoizana ana habakabaka sivily. Misy ny fampirantiana an-tsary ny tanta­ran’ny fifamoivoizana ana habakabaka teto Madaga­sikara, nokarakarain’ny orinasa Ravinala Airports sy ny Mozean’ny fakan-tsary eto Madagasikara, misokatra hatramin’ny jona 2024.

Lany tsy nasiam-panovana sy tsy nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona Anosy, omaly, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2024 (LFI). Nisy ny fifanakalozana teo amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ary ireo senatera momba ny fitsinjaram-pahefana ahitana taratra ny fitsinjovana ny faritra.

Partager sur: