Tanjon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny hisokafan’ny fifamoivoizana mandavan-taona, aorian’ny fahavitan’ny lalana. Vita ny tetezana any Mangalaenatra ary manomboka ny fanarenana ny lalana.
Hivaha ny olana amin’ny fitokana-monina any amin’ny distrika Ikongo, noho ny haratsian’ny lalam-pirenena RN14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo. Tsiahivina fa nidina tany an-toerana ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja, ny volana oktobra teo, nijery ny zava-misy. Nanomboka avy hatrany ny asa taorian’izay.
Ankehitriny, vita ny tetezana any Mangalaenatra, PK 10+100, ao anatin’ny RN14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo. Tapaka nandritra ny roa herinandro, nanomboka ny 22 novambra hatramin’ny 7 desambra teo, nanaovana ny asa. Nosoloina tetezam-by (pont modulaire), izay mirefy 30,48 metatra, manana sakany 4,20 metatra. Misokatra manomboka ny 8 desambra ny fifamoivoizana amin’ny RN14.
Manampy izany, mitohy ny famaranana ny asa fanatsarana ity tetezam-by any Mangalaenatra ity. Manomboka koa ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RN14 ataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy.
Azo ivezivezena
mandavan-taona
Tsy maintsy arenina daholo ny lalana tena ratsy rehetra, toy ny eo amin’ny PK15, PK17, PK22, PK24. Mikatso mihitsy ny fiara mandalo amin’ireo rehefa fotoam-pahavaratra, satria tena lalina miendrika dobo mihitsy ny lalana, noho ny tsy fisian’ny fanamboarana nandritra ny taona maro. Eo koa ny lalana mihotsaka, eo amin’ny PK29, PK54 ary PK67. Manampy ireo ny ampahan-dalana mila arenina satria tanjona ny fahafahan’ny fiara rehetra mivezivezy mandavan-taona.
Mirefy 92 km ny lalana RN14, eo Ifanadiana hatrany Ikongo. Faritra tena mamokatra ny any Ikongo, saingy tsy tafavoaka ny vokatra, noho ny haratsian’ny lalana efa an-taona maro. Lafo koa ny vidin-javatra ilaina andavanandro (PPN) sy ny saran-dalana, saingy inoana fa hihena ireo aorian’ny fahavitan’ny lalana.
Njaka Andriantefiarinesy