Vondron’ny tanora (VTI): namolavola didim-panjakana mifanaraka amin’ny hetahetany

Nanatanteraka atrikasa na­sionaly nandritra ny roa andro, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, ny Vondron’ny tanora ho an’ny fanavaozana ifotony (VTI). Nandritra izany indrindra no niaraka nikaondoha ireo tanora 230, avy amin’ny distrika 30 manerana ny Nosy, notarihin’ny minisitry ny Ta­nora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja. Fa­mo­lavolana didim-panjakana ho fikendrena ny fampiroboroboana miainga eny ifotony no vontoatin’ny atrikasa, ka ireo tanora mihitsy no nametraka ny hetahetany ho lasa volavolana didim-panjakana. Ho­entina eny anivon’ny filankevitry ny minisitra izany ka nanamafy ny minisitra fa hijery sy hanaraka akaiky izany volavolana didim-panjakana izany, mba hahazo fankatoavana. Tsiahivina, tohin’ilay dinika fakana hevitra natao teny amin’ny Carlton Anosy, ny herinandro lasa teo, ity atrikasa ity, izay tafiditra anatin’ny tetikasa Fanoitra 2024-2028. Seha-pihariana 7 no voaresaka amin’izany, ahitana ny fiompiana akoho gasy, trondro, jono an-dranomasina, fambolena hazo fihinamboa, eo koa ny fomba ahitana famatsiam-bola sy lalam-barotra. Fihariana laharam-pahamehana ho an’ireto tanora ireto avokoa no niarahana nidinika, ho fampiroboroboana sy ho fampandrosoana eny ifotony ary indrindra ho fampandraisana andraikitra eny anivon’ny fiarahamonina sy hahafahany mizaka tena.
Ankoatra ny famolavolana didim-panjakana, nametraka dina ho an’ny tanora mahakasika ny fandriampahalemana maharitra ihany koa ny Vondron’ny tanora ho an’ny fanavaozana ifotony, niaraka tamin’ny minisitera sy ny mpiara-miombon’antoka maro.

Mi.Raz

Partager sur: