Miara-misalahy amin’ny ady amin’ny kolikoly amin’izao fotoana izao ny firenena 190. Tafiditra anatin’izany i Madagasikara.
Misandrahaka manerana ny firenena maro ny fisian’io tranga kolikoly io. Voakasika izany avokoa ny ankamaroan’ny sehatra miankina sy ny tsy miankina. Ny fanararaotam-pahefana, ny fanaovana tsolotra eny anivon’ny sampandraharaha maro samihafa.
Tsy mijanona amin’ny firenena iray intsony fa misampana amin’ny firenena hafa toa ny famotsiam-bola any amin’ ny firenen-kafa ireo mpanao kolikoly. Manimba ny toekarem-pirenena anefa izany. Manoloana io, tsy mitsaha-mikaro-bahaolana sy manaja ny fenitra nifanarahana ireo firenena mpikambana anatin’ ny Fifanarahana iraisam-pirenena miady amin’ny kolikoly “Convention des Nations-Unies contre la corruption (CNUCC)” na Convention de Mérida. Ny fiaraha-mientana amin’ireo samy firenena mpikambana no ahafahan’izy ireo mitily sy mampahomby ny fanatrarana ireo misehatra anatin’io kolikoly io.
Marihina, nankalazaina ny 9 desambra teo, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ady amin’ny kolikoly ka anisan’ny nanamarika izany i Madagasikara.
Tsiferana R.