Nanamarika ny datin’ny 10 desambra ny fikambanan’ny mpanao gazety ao Toamasina (AJT) sy ny fiarahamonim-pirenena mivondrona eo anivon’ny ONG Fafed, tarihin’ny filohany, Zafitsara Maria. Feno 75 taona ny nanambarana am-pahibemaso maneran-tany ny karazana andinin-dalàna sy fitsipika isan-tsokajiny (1948 – 2023). Entina hanatsarana ny rafi-piarahamonina izany ka ho zo hitsitrahan’ny tsirairay.
Teo amin’ny araben’ny Fahaleovantena misy ny tsangambaton’ny zon’olombelona no nifamotoana ny mpanao gazety notarihin’ny filohan’ny AJT, Sabotsy José, sy ireo trano maro mpisehatra amin’izany fampanajana ny zon’olombelona izany. «Mbola betsaka ny ezaka takina amin’ny tsirairay amin’izany fampiharana ny zon’olombelona izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny fahateren’ny mpanao gazety amin’ny fitrandraham-baovao .Lasa mitarika tsy fahampian’ny vaovao marina tokony hisitrahan’ny vahoaka», hoy ny fanazavan’ny filohan’ny AJT.
Sajo