Foto-dresaka amin’izao ny amin’ny sosialim-bahoaka. Nahoana? Eo ny fampanantenan’ny filoha hijery akaiky amin’izay ny fiainam-bahoaka. Mba tsy hisy hadino? Hiaraha-mahita eo… Mahabe resaka amin’izao ny hoe: hatraiza ny fisitrahan’ny vahoaka ifotony ny fampandrosoana? Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Tsy mampindrana fahefana azy fotsiny ny vahoaka, fa ny vahoaka no antom-pisiany eo amin’ny fitantanana, fampandrosoana… Na inona na inona atao sy tetehin’ny fitondram-panjakana, tokony hisy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka.
Niaritra sy naharitra ny vahoaka matoa tsy nisy ny korontana sosialy? Hiova amin’izay ny tantana sy ny tantara… Tena mampiferinaina ny vahoaka, ohatra, ny tsy fandriampahalemana amin’ny faritra anjakan’ny dahalo amin’ny fanafihana, fakana takalon’aina… Tsy eran’ny aina amin’ny isan-tokantrano koa ny fidangan’ny vidim-piainana: tsy mahasehaka ny fahafaha-mividy fa kely ambaitra ny vola miditra. Miara-dalana amin’izany ny tsy fisian’ny asa, ny fahasahiranana raha marary, ny tsy fahafaham-po amin’ny fisitrahana jiro sy rano, ny fahasahiranana amin’ny fambolena …
Izay no iainan’ny vahoaka isan’andro vaky mandavantaona. Izay koa no ilana fitondram-panjakana sy ny antom-pisiany. Na izany aza, inona no mety ho vitan’ny vahoaka ifotony isan-tsehatra sy isam-paritra? Tsy miandry sy hitavandra fotsiny fanampiana. Omena haranjono na harato izay mitady trondro: ampiana hiala amin’ny fanampiana lava. Mila hetsika izany, mila lamina sy tetika, politika mazava sy azo tanterahina: samy miasa, samy mandroso. Inona àry no hatao? Eo indrindra izao… Misy ny azo atao ifampilana hevitra, ifanomezan-tanana. Alao hery àry! Izay miasa no mihinana, mandroso… Hiadana sy ho finaritra tokoa?
*
R. Nd.