Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny «Le Marais» Ankorondrano, ny lanonana fanolorana ny mari-boninahi-pirenena «Grand- Croix de 2e classe», an’ Andrianarivelo-Razafy Andriamaniraka. Nitarika ny lanonana, Rakotonarivo Donatella, mpikambana eo anivon’ny Conseil de l’ordre national malagasy. Notolorana mari-boninahitra koa ny vadiny, Andrianarivelo-Razafy Noëline sy ny zanany, Andrianarivelo-Razafy Marcellin.
Anisan’ny nahafantarana azy ny teo anivon’ny sehatra tsy miankina. Efa talen’ny famoahana teo anivon’ny orinasa «Ultima Média» izy. “Ankehitriny, rariny raha mamaly soa ny mpanompo mahatoky ny firenena. Mpandimby mendrika ny razambeny. Vady sy ray be fanoloran-tena. Mpanao mari-trano tsy sasatra amin’ny fifandraisana am-pitiavana eo amin’ireo namany sy ny mpiaro ny sehatra tsy miankina”, hoy Andriantsitohaina Naina, ben’ ny Tanànan’Antananarivo, nandritra ny lanonana.
73 taona izy no nomena ny mari-boninahi-pirenena. Nandaniany ny rondohany sy ny fahaizany tao amin’ny vondrona Andriantsitohaina. Nahavita ny fianarany tamina ivontoerana samihafa tao Frantsa izy, teo amin’ny faha-26 taonany. Tsy nampihemotra azy ny sedra maro nolalovany tamin’ny fanatanterahana ny asany teo amin’ny sehatra tsy miankina. Navadiny ho fanoitra izany. Nahafahany nisongadina ao anatin’ny tantaran’ny toekarena malagasy.
Lin