Distrikan’i Morafenobe : dahalo saika hamaky valan’omby voasambotra

Vala nisy omby amidy 500 nokasain’ny dahalo roa lahy horobaina tao Androvakely, distrikan’i Morafenobe, afakomaly. Nitondra ody ratsy sy moara maromaro ireo dahalo ireo. Niandry ho maizina, nitsaitsaika hamoaka ireo omby an-jatony tao anaty vala izy roa lahy ireo tokony ho tamin’ny 8 ora. Tsikaritry ny fokonolona ireo olon-dratsy ka nifanenjehana. Vokany, voasambotra ny iray. Tratra teny ami­ny ny lamba mena sy ny ody ratsy nampiasain’izy ireo. Ta­faporitsaka ny naman’ilay dahalo voasambotra. Nentin’ ny mpitandro filaminama natao famotorana io dahalo io. Marihina, vao nisy namaky io vala ao Androvakely io iray volana lasa. Omby an-jatony saika hamidy no lasan’ny olon-dratsy tamin’izany. Efa mihatrana ao an-toerana manara-maso andro aman’alina kosa ny OMC hisorohana ny fandrobana.

Tsiferana R.

Partager sur: