Efa mivonona ny hanolotra anarana praiminisitra ho lehiben’ny governemanta ny parlemantera IRD. Nambaran’ny filohan’izy ireo, ny depiote Velontsara Paul Bert, fa mbola hisy ny dinika hataon’ ny maro anisa momba izany. Tahaka izany koa ny hanolorana minisitra.
Mbola hitohy anio, raha tsy misy ny fiovana, ny fanadihadian’ny zandary, sampana misahana ny fikarohana ny ady heloka bevava eny Fiadanana ny mpanao gazety, i Gascar Fenosoa. Efa nohadihadiana ora telo ny tenany, ny herinandro teo, ary nalefa nody.
Mbola mila ezaka be isika amin’ny fanajàna ny zon’olombelona, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, omaly. “Fototra iaingana amin’izany ny finiavana sy fahasahiana politika. “Tokony hipetraka ho fitaratra ny mpitondra”, hoy izy.
Nampita hafatra ho an’ireo Diaspora nanao hetsika tao Paris ny mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly. Nambarany fa tokony hijoro hanavotra ny firenena. “Aoka tsy hiharitra ny
fiforetana anaty fa hivondrona hanavotra ny firenena”, hoy izy.