Fikambanana Zam : tohana ho an’ny fokonolona

Mitohy ny fanohanan’ny fikambanana Zanak’ Ambohidra­trimo Marovatana (Zam) ny mponina eny ifotony. Nahazo rano fisotro ny fokonolona any amin’ny fokontany Ampana­taovana, ny herinandro lasa teo. Nomena masomboly koa ny tantsaha, amin’izao taom-pambolena izao.

Nahazo tohana ara-bola ny mpianatry ny EPP avy amin’ ny fianakaviana sahirana. Mpianatry ny kilasy T4 ao amin’ny EPP i Ny Avo, zazavavy kely kamboty ray ary marary saina ny reniny, ka ny renibeny no mitaiza azy sy i Nasandratra zokiny. Saika hajanona tsy hianatra intsony izy, satria tsy manam-bola handoavana ny saram-pisoratana anarana. «Mankasitraka sy misaotra ny filohan’ny Zam, Rabary Hery, tena mitsinjo ny madinika sy ny sahirana toa anay», hoy ny renibeny.

Tany an-dohasaha no mantsaka rano ny mponina hatra­min’izay satria efa simba hatry ny ela ny paompy eo Ampanataovana. Nilaza ny filohan’ny Zam, Rabary Hery, fa «nanapa-kevitra ny Zam, nividy fitaovana lafo, nanamboarana ny paompy mba hisitrahan’ny mponina rano fisotro madio». Nahazo baolina kitra koa ny mpanao fanatanjahantena.

Njaka A.

Partager sur: