Sinoa 12 naiditra am-ponja tamin’ny sabotsy. Miampy Malagasy roa izany ka governora ny iray. Ampangaina ho nanao kolikoly sy fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna izy ireo.
Niakatra fampanoavana ny sabotsy 9 desambra ny raharaha nahatrarana teratany sinoa miisa 12 tany Marokoro, distrika Maevatanana. Nitrandraka volamena tsy ara-dalàna tany amin’ ny reniranon’i Kamoro, izy ireo. Voasambotra tamin’ny herinandro ny 10 lahy. Taorian’ny fanadihadiana savaranonando anefa, nisy olona efatra hafa nomena taratasy fiantsoana hatao fakana am-bavany aty Antananarivo. Anisan’ izany ny governora sy ny mpiara-miasa aminy.
Ahina ho nanome alalana an’ireo mpitrandraka an-tsokosoko ireto tomponandraikitra ireto. Voararan’ny lalàna ny fanaovana izany. Mbola ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany no hany manam-pahefana hanao izany. Ankoatra izany, misy ny loharanom-baovao milaza fa nampiasaina tany amin’ny fitrandrahana volamena ny fitaovana vaventy bildozera an’ny faritra. Fitaovana nomena hanamboaran-dalana.
Taorian’ny fihainoan’ny fampanoavana, naiditra am-ponja ny sinoa 12 sy ny Malagasy roa lahy.
Efa nisy taloha
Efa nanamafy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, Razananirina Henri Délice, fa : «tsy hihemotra amin’ny fametrahana fanjakana tsara tantana sy ny fampanarahan-dalàna ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny tomponandraikitra».
Tsy voalohany no naharaisan’ny minisitera fitarainana fitrandrahana tsy ara-dalàna toy izao tany amin’ny kaominina Marokoro. Nahatonga ny fidinana ifotony. Efa nandraisana fepetra ny tany Tsiandrarafa sy Antsira ary Madisovato, izay samy ao anatin’ny kaominina Marokoro avokoa.
Manatanteraka ny fanaraha-maso eny ifotony ny polisin’ny Harena an-kibon’ny tany ao amin’ny minisitera, izay ahitana zandary sy polisy.
Njaka A.