Harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona : tontosa omaly ny lanonam-panjakana ho an’ny hiragasy

Niavaka noho ny mahazatra ny lanonana tetsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy, omaly. Hafaliana no hita soritra teny amin’ny tsirairay, noho ny nahatafidirana ny hiragasy ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona.

Fanambarana manetriketrika. Ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny jeneraly Ravalomanana Richard, mihitsy no tonga namaky ny fanambarana ofisialy, fa tafiditra ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona, eo anivon’ ny Unesco, ny hiragasy. Na­seho omaly ihany koa ny sary famantarana izany maneran-tany, izay niara-nakarina tamin’ny sainam-pirenena malagasy, tetsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha.
Vory lanona ireo mpankafy sy mpikatroka hiragasy, tonga niara-nifety noho izany fotoan-dehibe izany.
Namintina ny dingana maro sady lava dia lava nahatongavana amin’izao fandresena izao ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina mpisolo toerana, Rahanta­nirina Gabriella Vavitsara. Nanomboka tamin’ny nandraisana ny fanapahan-kevitra hanao ny fangatahana teo anivon’ny Unesco, ny volana mey 2019 izany, hatramin’ny talata 5 desambra lasa teo. Tamin’io fotoana io ilay fivoriana faratampony iraisan’ireo governementa maneran-tany eo anivon’ny Unesco izay natao tany Botswana, ary nandraisan’ny ekipan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina anjara, tamin’ny alalan’ny fampitain-davitra.
Nanampy fanazavana ny maha zava-dehibe izao fampidirana ny hiragasy ho harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona izao ny filoham-panjakana mpisolo toerana. Niraisan’ireo nandray fitenenana kosa ny fisaorana ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina teo aloha, Rako­tondrazafy Lalatiana, izay vy nahitana izany.
Manamafy ny dingana rehetra natao ho fampiroboroboana ity sehatra ity ihany koa ny nahazoan’ireo mpanao hiragasy ny Kianja vaovao etsy Ampefiloha. Mifandimby isaky ny alahady ireo tropy, izay mifanandrina eo, araka ny fandaharan’ny federasiona. Ito farany no mikararaka sy mandamina ny fandaharam-potoan’ny kianja, izay efa lasa toerana mahazatra ireo mpankafy isaky ny alahady. Nan­dravaka ny lanonana omaly, ny ady hiragasy nataon’ny tropy Marie Louise Anivorano sy ry Fredikely avy eny Imerintsiatosika.

Zo ny Aina

Partager sur: