Minisiteran’ny Serasera : “Tokony hanaja ny etika hatrany ny mpanao gazety”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina MSK, tamin’ny zoma. Natao izany, manoloana ireo tranga fiahiahiana ny mpanao gazety ho miantso fiokonan’ny miaramila.

Notsiahivin’ny minisitera tamin’izany fa iantohan’ny Lalàmpanorenana tokoa ny zo ho amin’ny fahafahana maneho hevitra sy ny zo ho amin’ny fanomezana vaovao. “Voafetra ihany anefa izany mba tsy hanohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny firaisam-pirenena”, hoy ny fanambaran’ny MSK. Nante­riny fa fihoaram-pefy sy tsy manaraka ny lalàna momba ny fifandraisana ny lahateny na fanehoan-kevitra mandranitra mpitandro filaminana sy ny famoahana vaovao tsy marina. “Azo ambara ho mpiray tendro amin’izany ilay haino vaky jery mampita izany”, hoy ihany ny MSK. Nohitsin’ny fanambarana fa tsy afa-bela eo anatrehan’ny lalàna sy ny lalàna momba ny fifandraisana ny tahaka izany.

6 tapitrisa Ar
Tsy azo ihodivirana fa tonga hatrany amin’ny sazy amin’ny alalan’ny fandoavana lamandy, 3 hatramin’ny 6 tapitrisa Ar izany.

Manoloana izany, nampahatsiahy indray ny MSK manoloana ny fihoaram-pefin’ny mpanao gazety, indrindra ny momba ireo fanambarana na fanehoan-kevitra ho amin’ny fiokoana voizin’ny haino vaky jery sasany, amin’ny alalan’ ireo vahiny asainy. “Maro amin’ ireny no tena miantso na manindraindra ho amin’ny adim-poko na fanavakavahana… Ilaina, noho izany, ny hanajan’ny mpanao gazety ny asany sy ny etika ary koa ny maha matihanina azy”, hoy ihany ny MSK.

Randria

Partager sur: