Nandrasana tetsy Analakely : halevina anio i Delacre Black Jack’s

Faran’ny herinandro tao anaty raho-mainty indray iny, ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry ny alin’ny zoma lasa teo mantsy Randriamirana Jean de La Croix, na i Delacre, fantatry ny maro amin’ny maha lehiben’ny tarika Black Jack’s azy. Rehefa avy nandrasana tao an-tranony, teny Ambaniala Itaosy, nentina tetsy amin’ny Tranompokonolona Analakely kosa ny nofo mangatsiakan’ity andrarezin’ny mozika rock malagasy ity, omaly alahady. Nampihetsi-po ny fotoana nanomezam-boninahitra an’i Delacre. Tonga maro ireo mpankafy sy ireo mpanakanto namany, niara-nahatsiahy indray ny fotoana mamy niarahana. Niarahana namerina rahateo ireo hira tsy tontan’ny ela noforonin’i Delacre. Saika nampahatsiahy ny maha andrarezin’ny fanoratana tononkira azy avokoa ireo namany. Niavaka tamin’ny rehetra, noho ny famoronany hira mitondra hafatra sy anatra, miantefa amin’ny rehetra izay mantsy i Delacre. Azo lazaina fa anisan’ireo nivoy voalohandohany, nanaparitaka ny mozika rock, teto Madagasikara ihany koa izy.
Hiala etsy Analakely anio maraina, ka hoentina eny amin’ny EKAR Antanimena ny vatana mangatsiakan’i Delacre. Halevina eny amin’ny fasan-drazany eny Soavina Analapanga Atsimondrano, aorian’izay.

Zo ny Aina

Partager sur: