Otrikafo : “Tsy tokony hanavahana olona ny asan’ ny Arai”

“Mahafinaritra kokoa ny ezaka sy ny asa, raha tsy anavahana olona izay atao”, hoy ny filoha nasionalin’ny Otrika­fo, Rabevahiny Elia, momba ny asan’ny Rafitra famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna na ny Agence de recouvrement des avoirs illicites (Arai), amin’ny fanagaziana fananana azo amin’ny kolikoly na fanodinkodinam-bolam-panjakana. Samy ma­ha­lala ny rehetra hoe ny ankamaroan’ny olona nandalo tao amin’ny fitondram-panjakana fa azo isaina amin’ny rantsan-tanana ny tsy nanararaotra ny fahefam-panjakana teo an-tanany hahazoany mangorona ny harem-pirenena ary nahazoana nanao kolikoly sy nanagiazana ny haren’ny vahoaka ihany koa.
Rehefa atao ihany ny famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, tsy tokony ho amin’izay mpifanandrina politika na izay tsy mitovy hevitra politika amin’izay eo amin’ ny fitondrana ihany no hanaovana izany. Tokony hojerena ihany koa na ny mpitondra fanjakana aza, manomboka any amin’ny faratampony ka hatramin’ny ambany indrindra sy izay manodidina azy. Tsy tokony hanavahana olona ny fampiharan-dalàna, fa tokony hatao amin’ny mpitondra fanjakana rehetra. “Raha tsy anavahana izay, be dia be ny haren’ ny Malagasy tokony hiverina aminy, indrindra tokony hiverina ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: