Sofia sy Betsiboka : kojakojam-pamokarana ho an’ny tantsaha

Mitohy ny fanokafana ny taom-pamokarana 2023-2024, sady fizarana kojakojam-pamokarana ho an’ny tantsaha, ao anatin’ny tetikasa Purpa, tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nisitraka ny azy ny faritra Sofia sy Betsi­boka, ny herinandro lasa teo. Ho an’ny faritra Sofia, miisa 131 ny tantsaha any amin’ny kaominina Tanam­bao, Matsa­bo­rilemby, Tsara­hasina ary Port-Bergé, nahazo ma­som­boly milanja 1 572 kg. Milanja 2 620 kg ny zezi-bazaha NPK nozaraina sy zezika biolojika 13 100 kilao.

Ho an’ny faritra Betsiboka, natao tany amin’ny kaominina Tsararano, distrika Maevata­nana, ny fizarana. Miisa 350 ny tantsaha nahazo masomboly vary an-tanety milanja 8 400 kg, zezika NPK 7 000 kg ary zezika biolojika 35 000 kilao.
Ny 10% ihany no aloa
Marihina fa ny 10%-n’ny vidin’ireo kojakojam-pamokarana ihany no aloan’ny tantsaha misitraka ny fanampiana. Tanjona amin’izao tohana izao ny hanatrarana ny fampiakarana ny vokatra sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Mamatsy vola ny tetikasa “Purpa” ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), miara- miasa amin’ny Tahirim-bola ho fampandrosoana ny famokarana (FDA).
Efa maro ny kaominina any amin’ny faritra nisitraka ny fanampiana toy izao, ao anatin’ny fanokafana ny taom-pambolena 2023-2024. Mitohy any amin’ny faritra hafa ny hetsika ataon’ny Minae, toy ny any Vakinankaratra.

Njaka A.

Partager sur: