Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, sokajy vehivavy. Tafita eo amin’ny famaranana ny SCB Besarety sy ny FTFA Antohomadinika. Miady ny laharana fahatelo, araka izany, ny RCTS Soavimasoandro sy ny FTM Manjakaray.
Mitohy ihany ny fahombiazana ho an’ny Aston Villa FC, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre « Premier League ». Lavon’izy ireo tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 indray ny Arsenal FC, tao amin’ny kianjan’ny Villa Park, ny sabotsy lasa teo. Mijanona eo amin’ny laharana fahatelo, araka izany, ity ekipa ity.
Hotanterahina anio, any Maroc, ny fifidianana izay ho mpilalao mendrik’i Afrika “Ballon d’or Africain 2023”. Tsiahivina fa miisa telo izy ireo no hofidiana amin’izany, ho an’ny lehilahy. I Mohamed Salah, egypsianina sy i Achraf Hakimi, Maraokanina ary i Victor Osimhen, nizerianina no hiady izany.